|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 Ratany Samuël |
| Singan-teny | 2Ratany |
| Sokajin-teny | 3 anaran-tsamirery (olona) [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
4Ratany Samuël (1901/07/16 - 1926/10/10) (Tanicus).
[3.1] 5Teraka tamin’ny 16 jolay 1901 tao Ankadibevava Antananarivo i Samuël Ratany. 6Zanaky Ratsimamakitany sy Ramariarivelo ary nanambady an-dRasoazananohatra. 7Nianatra tao amin’ny Paul Minault Ambohijatovo izy. 8Tao no nanombohany nankafy literatiora ary nanampy azy tamin’izany sy nanolokolo ny talentany Randrianjafintrimo anadahin-dreniny. 9Mahay zavamaneno koa, ka ny rainy Ratsimamakitany no nanolokolo azy teo amin’ny hira sy ny zavamaneno. 10Voataiza tamin’ny finoana kristiana koa izy. 11Mpitana bokim-bola tao amin’ny tranom-barotra ‘Vassilou’ no asa nataony. 12Maty tamin’ny 10 oktobra 1926, raha vao 25 taona monja i Samuel Ratany ary nalevina ao Lazaina Avaradrano. 13Ny maha mpanoratra azy Vao 15 taona izy no nanomboka nanoratra ary sarotiny tokoa ka nisy niverenany intelo na inefatra ny fandrafetana sy fanadiovana ny asa soratra navoakany. 14Nifanerasera sy nifankatia tamin’ny mpanoratra mitovitovy taona aminy izy, indrindra fa tamin’i Jean Joseph Rabearivelo izay nihevitra azy ho mpamorona tononkalo lehibe indrindra tamin’ny androny. 15Azo alahatra ho anisan’ireo ngezalahy izy. 16Ny nokendreny dia ny hanondrotra ny poezia malagasy amin’ny toerana ambonimbony kokoa. 17Ny tononkalony dia ahitana rima voafolaka hanome aina tsara ny firafiny, ahitana fampiasana sarin-teny koa. 18- Misy ireo natolony ho an’ny sakaizany: “Embona”, “Elégie de minuit” dia natolony ho an-dRabearivelo. 19- Misy ny nataony ho fahatsiarovana: “In memoriam ” dia ho fahatsiarovana an’i Albert Ranaivo. 20Ny sombin-tantara nosoratany dia mamelona ny endri-piainana sy ny zava-misy tamin’ny androny. 21Ohatra: “Imbalanony”, “Vita ho azy”… Anisan’ny nosoratany koa ireo sombin’eritreritra toy ny ao amin’ny “Vovoka isika ohatra azo raisina amin’izany ny hoe «Ranovelona tsy miditra any am- pasana ny ranomaso nefa vavolombelon’ny maha-tany ny tany». 22Nanadihady momba ireo vakoka malagasy koa izy, iray amin’ireny: “Tononkiran’ny Ntaolo”. 23Ny solon’anarana nentiny dia Tanicus.. [5.mg.http://www.mcp.gov.mg/blog/divers-samuel-ratany/] |
| Fanazavàna teny frantsay |
24Elève au Collège Paul Minault en même temps que Jean Narivony, Rahaingoson, Benja Ratsitohaina, ce poète fut l'ami de Rabearivelo auquel il dédie des poèmes.
25Son père lui enseigne la musique. 26Il commence à écrire des poèmes dès l'âge de 15 ans, puis collabore à de nombreuses revues: Tsarahafatra, Ny Fandrosoana Vaovao, Ny Mpandinika, Ny Tanamasoandro, Journal de Madagascar, Revue de Madagascar. 27Il écrit des poèmes dont quelques uns en français, des nouvelles, des chansons, des hainteny. 28Il meurt jeune mais reste un des poètes marquants dans sa génération.. [1.59] |
| Voambolana | 29 Tantara: olona 30 Haisoratra: mpanoratra |
| Asa navoany |
31 Domohina Maratra 32 Kalokalon' ny Tatsinanana 33 Vetsovetson' ny sasakalina 34 1925 Raha 35 1925 Tononkiran' ny Ntaolo |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/10/07 |
|